1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.
2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
3 Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
4 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6 Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.