4 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5 Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
6 Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
7 Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
8 Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
9 Ary hoy Joaba tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
10 Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.