2 Tantara 28:3-9 MG1865

3 Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

5 Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.

6 Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

7 Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.

8 Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.

9 Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.