2 Tantara 31:13-19 MG1865

13 Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

14 Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.

15 Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,

16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon'i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.

17 Ary ny amin'ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.

18 Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin'ny zavatra masina.

19 Ary ho an'ny mpisorona, taranak'i Arona, koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.