2 Tantara 33:13-19 MG1865

13 ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.

14 Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan'ny Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka, ka hatramin'ny fidirana amin'ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an'i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.

15 Dia nesoriny ireny andriamanikafa sy ny sampy tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan'ny tanàna.

16 Ary nanorina indray ny alitaran'i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

17 Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an'i Jehovah Andriamaniny ihany.

18 Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.

19 Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany.