1 Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy izany.
2 Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
3 Ary toy izany koa no hataonao amin'ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
4 Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
6 Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
7 Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.