17 Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
18 Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20 Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21 Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
22 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
23 Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.