23 Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24 Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
25 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.
26 Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,
27 rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
28 dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
29 Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.