1 Ary nentiny ho any amin'ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
2 Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.
3 Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4 Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.