7 Mahita ny lain'i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
8 Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah ? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao ?
9 Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.
11 Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
12 Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
13 Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon'ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [sela]