5 Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
6 Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
7 Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
8 Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
9 Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
10 Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?
11 Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.