13 ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
14 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
15 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako.
16 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao.
17 Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
18 Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
19 Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?