4 Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany Aho noho ny amin'i Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.
5 Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?
6 Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.
7 Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.
8 Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.
9 Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
10 Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.