11 Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
12 Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
13 ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
14 Ary ny manda rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
15 Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
16 Nefa ny olona malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
17 Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.