4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
7 Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
9 Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.
10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.