Levitikosy
toko 14:40-46
Malagasy Bible
40dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;
41dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
42Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
43Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
44ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.
45Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
46Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;