18 Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
19 Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20 Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
21 Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.