1 Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny.
2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.
3 Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.
6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.