Salamo 57 MG1865

Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza

1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.

2 Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.

3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.

4 Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.

5 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny.

7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.

8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.

9 Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.

10 Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

11 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.