1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
2 Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
6 Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.
12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
13 Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
15 Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
17 Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.