Salamo 79 MG1865

Fifonana noho ny faharavana nataon'ny fahavalo

1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.

2 Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;

3 Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.

4 Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.

5 Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?

6 Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;

7 Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.

8 Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.

9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.

10 Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.

11 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.

12 Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.

13 Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.