1 Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
2 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
3 Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
4 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
5 Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.
6 Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.