1 Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
4 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.