17 Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.
18 Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
19 Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
20 Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
21 Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22 Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
23 Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.