31 Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
32 Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo;
33 Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
34 Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
35 Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36 Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37 Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo;