11 Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
12 Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
13 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
14 Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
15 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
16 Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
17 Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony: