2 Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo,
3 Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina.
4 Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
5 Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
6 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
7 Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
8 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!