1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
3 Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
4 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.