1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao,
2 Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy.
3 Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
4 Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
5 Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.