4 Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
9 Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.