102 Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103 Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
105 Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.