31 Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
32 Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
33 Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
35 Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
36 Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.