72 Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
73 Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
74 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
77 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.