87 Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
88 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
89 Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90 Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
91 Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
92 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.