9 Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
10 Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14 Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.