1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.
2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3 Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4 Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.
5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
6 Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;