1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:
2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.