1 Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
5 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.