1 Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,
2 Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
3 Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
4 Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
5 Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
6 Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.