4 Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
5 Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
6 Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.
7 Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
8 Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
9 Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
10 Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.