1 Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
2 Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
3 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
4 Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
5 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6 Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.