1 Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
2 Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
3 Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy?
4 Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5 Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.