3 Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy?
4 Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5 Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6 Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,
8 Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
9 Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,