10 Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11 Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
12 Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14 Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15 Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16 Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.