1 Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
2 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
4 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
5 Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
7 Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,