3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.