5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11 Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;