1 Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
4 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.