1 Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.