36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an'ny olona tia fihavanana.
38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.
40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.